IZANY NO FIAINANA ATY AMINAY - joseclaudio
Azo vakiana?
IZANY NO FIAINANA ATY AMINAY
Havako ianao raha misy patsa...
Dia gaga izaho mandinika ny hitako.
Sy mamakafaka ny zavatra iainako.
Tsy fiaraha-monina, tsy toerana hafa.
Fa havany ianao raha misy patsa.
Ory ny foko mandinika izany.
Ketraka ny aiko mila hitomany.
Fa raha misy fahoriana tonga mandatsa...
Dia tamin'iny ianao no havany satria nisy patsa !
Izany no fiainana aty aminay,
Samy miaina izay zavatra iainany.
Ka very ilay hasina hatramin'izay.
Satria ireo ory tsy mba havan'ny manana.
Dia takona any ilay fiarahamonina mahazatra
Satria ny tena manjaka:
Dia « havako ianao raha misy patsa».
Ka izany no fiainana aty aminay...
Joseclaudio(21 febroary 2015)
Mombamomba
Mpanoratra : joseclaudio

Nampiditra : joseclaudio
Daty : 18/08/2015
Mpamangy : 878
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
REHEFAMpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY