HAMBOM-PO DISO TOERANA (Lalypiso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao izy ho any
Fa efa tsy sahaza

Fa ny mahagaga…

Toa mahalala fomba ihany
mahay mampilaza

Fa matoa miala tsiny
Dia mbola ianao no tiany
Fa manakambo fotsiny
Miseho ho sarotiny
Tsy sahy miatrika akory
Sao ho soritra amin’ny tavany
F’izy tsy nahita tory
Nisaina anao rahavany !
Dia miangavy ny alikany
Hisolo toerana azy
Sao ho rakatra ny fikany
Fitsapana ratsy, vazivazy…


Fa mbola tiany ianao


He izato izy
Toa ianao indray no asainy misafidy,
rahampitso hoe … na amin’ny herintaona
dia izy indray hono no tsy manana fotoana

na ….
andramo ihany
mandehana any
fa ho hitanao …
ao izy miandry anao

Mpanoratra : Hary RASOAHOBY
--------
Rohy:
2252 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 29/11/2012 16:54)
mr6 Hary ah!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147