You are here: home > Vetso

IMPIRY NY VALIFATINAO ? - Lalypiso

Impiry ianao diso lalana kanefa tsy nivily, fa nikiry
Impiry ianao nijery lanitra mba ahita ny masoandro
Impiry ianao mba niteny f’izy niziriziry
Impiry nanantena… mbola ho maraina ny andro

Impiry ianao no ory , niandrandra  fifaliana,
Impiry ianao no adala nitavandra fahendrena
Impiry nitomany nihanta fitsikiana
Impiry niteny “tiako ianao” nefa izy kay sorena

Dia mbola impiry koa ny hisainanao valifaty ?


Fa taona firin’alahelo no ho takalom-pahasambarana ?
Adinoy ny valifaty, ny namanao ifaharana !


Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (Lalypiso)

Sokajy : Fitiavana, Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha