You are here: home > Vetso

FIARA-PAHASAMBARANA - Lalypiso

Azo vakiana?

Misavovoana aok’izany ny alaheloko
Toa  havoana
Eto amin’ny tanànan’adintsaina
Babangoana
Toa mandavaka ny taniko ny heloko
Ny fotoana…
angamba hamaly ny taraina

Miandry fiaram-pahasambarana mandalo
Hiakarako
Miandry tanam-pahasoavana mitsotra
Hifaharako
Sady miafina ny lefom-pahavalo
Tsy ho arako
Manantena toeran-kafa tsara voatra
Hamantanako




Mpanoratra : Hary RASOAHOBY

Hametraka hevitra

Midira aloha