NY VOKATR'ILAY FITIAVAKO (laruto na hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa lasa zary nankaleo
ny fihenoiny ilay feo
izaho mandodona azy foana
rehefa tsy tonga aram-potoana
tsy fidiny ho ahy anefa izany
fa ilay fitiavako azy ihany
tsy fanahy hiniako velively
fa ilay fitiavako no manery
tsy voatery ho teny mamy
no ho zaraiko anao hatrany
fa fitiavako ihany
izany hasarotam-piaro izany
tsy dia hoe fanahy hiniako
fa noho ianao ilay tena tiako
néfa....ilay hasarotam-piaroko iny
lasa zary toa tsy tiany
tsy fanahy hiniako velively
no mahatonga ahy hanao ireny
fa noho io fitiavako io ihany
no nahatonga izany rehetra izany
aza tsiny indrindra aky malala
fa sendra izay fo adaladala
eo fa tena hiezaka aho
ny tsy ho sarom-piaro aminao
SATRIA TENA MBOLA TIAKO IANAO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1272 1
Mpakafy: pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : laruto na hasina
Nampiditra : mandresy1
Daty : 10/04/2016 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0686