ry foko (laruto na hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry foko
Nahoana no tomany
Tsy misy mpiahy
Sady toa irery
Sa tsy manam-panahy

Ry foko
Fa nahoana loatra
No fefika tsy hivoatra
Andavaka mangatsika
Hamisavisa ny vita

Ry foko
Fa dia inona no tsy mety
No tomefin'ny hakiviny
Tsy hitraka intsony
Ilay hery vao nitsiry

Ry foko
Raha toa sitrakao
Fafao ny tomany
Esory ny toreo
Dia mitraka hatrany

Ry foko
Miangavy
Fenoy zoto ny angady
Hanalavitra akamoana
Tsy hamantana tany foana

Ry foko
Mba raiso
Ny soratro anio
Isafidy ny tsara
Hoan'ny nosy malala
--------
Rohy:
1071 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : laruto na hasina
Nampiditra : mandresy1
Daty : 10/04/2016 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144