ty zaho (laruto na hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba izaho no adala mitia izay tsy tia,
Miaina nofy lalina misaina ny doria
Dia manainga faniriana
Mba ho tiana sy ho tantanana,
Nefa ity ny lalana...
Tsy miandoha akory dia indro fa sampanana.

Angamba izaho no adala nitahiry ny fitiavako,
Efa-taona izay no lasa,
Nantenaiko ianao ho anjarako
Dia iny vita hira anaty fo manginako,
Nefa indrisy...
Indrisy...indrisy tsy ho silako.
--------
Rohy:
1054 1
Mpakafy: pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : laruto na hasina
Nampiditra : mandresy1
Daty : 10/04/2016 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151