tsy ho adinoko (laruto na hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo toa mafonja
No indro niantra taminy
Fa indro toa lasan'ilay onja
Ilay tiany sady maminy

Tsy nasiany antra
Ilay tiany izay mahantra
Fa navelany fotsiny hijery
Indro sara ~tiana toa manirery

Fa hoy izy an 'eritreritra
Tiako ah!
Raha izao no efitra ampisaraka antsika dia ho zakaiko
Tsy mba manana an 'iza ho tiaviko anefa aho
Fa ianao ihany no ho lalaiko
Tsy mampaninona ahy ny ho irery
Fa ilay fitiavan ~tsika no koloy tsy ho very!

Ka ny ranomasoko izay latsaka
No indro hanadio hangatsakatsaka
Ilay fitiavako izay hofihiniko
Satria ianao na ho mandra ~maty aza !tsy ho adinoko......!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1213 1
Mpakafy: rhjo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : laruto na hasina
Nampiditra : mandresy1
Daty : 10/04/2016 12:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135