avelao izy hatory (laruto na hasina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy ihany no hitaratra,an'aloky ny efitranony,
ngiana izao ny kotro-baratra,
voasaron'ny tomaniny,
ny varavaran-kazo,
no indro lasa figadrany,
ny nantenainy no nalazo,
ka nentin-drivotra any ho any,
nitsikitsiky ny maraina,
fa nomeny ny lamosiny,
ny voron-kely nitaraina,
notapenany ny sofiny,
voadona ny ambom-pony,
ka nihidy ny karetsaka,
ny antsonao tsy ho reny intsony,
f'eto anilako mipetraka,
ny sentom-pahakiviana ny ahy,
no nielatra tam-po,
remoka am-pandriana indray ingahy!
rahoviana vao hifoha?
tsy ho ela fa andraso,
hisava aloha ny aizim-pito,
ny masoandro handrehi-maso,
ho taitra ihany izy rahampitso.
--------
Rohy: