ALEOKO MANGINA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO MANGINA !

Vao resaka fitia ?
Aleoko dia mangina!
ny antony satria...
naharary lotra ilay voafitak'olotiana !
Lehilahy ny tenako...
nefa aza omena tsiny...
fa tena nanenenako
raha iny resaka iny !
Aleoko hahay Poeta...
mba tokana sy tony !
Na farafaha...pretra...
dia tsy mitia intsony !
mifantoka amin'ny hoaviko !
Mijinjo ny any afara
Fa kosa tsy ho laviko
ny lahatra sy anjara
voalahatra ho ahy !
Raha vao ny ankoatrizay...?
Aleoko dia mangina !

LAVENONA
16/09/21
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
181 1
Mpakafy: LEVASOKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 16/05/2024 06:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146