AZONAO ATAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZONAO ATAO !

Azonao fehezina ny vavanao tsy hiteny !
Azonao tehirizina izay vita rehetra tany !
fa kosa dia tsarovy sy fantaro ombieny ombieny
hoe ny marina rehetra mbola hiseho indray andro any !

Azonao hafenina ny zavatra efa lasa
ka ho tsiambaratelo ,tsy hisy hahalala !
Fa raha fongarina eto dia angamba fotsiny asa...!
Mangina fotsiny ihany fa izay tena tia adala...!

Azonao kobonina ny am-ponao tsy miloaka !
tsy ambaranao ny hafa, na oviana na oviana !
ka nefa izy ireny dia maintsy mbola hivoaka
miandry ny fotoana hisehoany any aoriana !

Fa raha ny tena tiana ? Tsy tokony hanafenana !
tsy tompon-trano mihono ,na tantara na toetra !
Izy ireny indrindra no hany tokony hitenenana
ireo diarinao fahiny sy ny momba anao rehetra...
fa io no anjaranao !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fitiavana
48 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/04/2024 07:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152