TSY RESY IZANY IANAO ! (LAVENONA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RESY IZANY IANAO !Dieny tsy taraiky aho dia hananatra mialoha
Tsy handatsa toy ny nenina sy haneso sanatria fa...
mialohan'ny andehananao hamono tena aloha dia...
tiako raha voavakinao ity tononkalo ity !
Amin'ny fotoana andatsahanao tomany
Anatin'ny onja-piainana mihatra amin'ny aina
Ny fahoriana lalina sy olana toy izany no...
tena hitakiana herim-po sy tanja-tsaina...
fa dia lazaiko anao...!
Fa tsy nisy tafaverina izay hoe namono tena
Tsy afaka hitantara hoe ny afo be tsy tanty
Ny fantatra hatreto dia tsy hahazo famonjena...
izay mitady fahafatesana ka sanatria hoe maty...
ka tandremo dia tandremo...!
Tsy sasatra aho ny hanoro fa tsy tiako ianao ho very
Tsy tiako hoe milofika amin'ny ady mahamay !
Dia aza mbola kivy koa fa manangòna hery
tsy resy izany ianao fa mbola hitsangana indray
izay no irariako !
Dia...adidinao ny sisa fa efa vita ny ahy ny anjarako !
Ianao no tompon-kevitra amin'ny tolona eto an-tany
Ny hamaranako azy dia....tsotra ny ahy no ambarako
Na inona mitranga dia tsarovy hatrany hatrany hoe..."Tsy resy izany ianao...!"
Lavenona
10/02/25
--------
Rohy:
Mpakafy:
heritreritrO
