FITIA AGAPE (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA AGAPE

Ny tena fitia tsy miofo ?
Dia ilay hany fitiavan'ny Ray
Sasa-poana ny rivo-mifofo fa...
ny fitiavany mandrakizay !

Fitia tsy voavidin-karena
na sandaina amin'ny vola be
Fitiavana ombam-pamonjena
Io ilay fitia "Agape" !

Fitia ka mamela ny hafa
Tsy miova fa dia tadidio
Ny heloka rehetra voafafa
raha ao io fitiavana io !

Io no fitia tena ilaina
Ho antsika miaina eto an-tany
Ampiharina sy enti-miaina
Raha te ho any an-danitra !

Fitia nefa mety mifindra
Mihitsy zaraina toa ketsa
Fitia tena hafa indrindra
Natao ho an'ny olon-drehetra !

Ka aza arina fa tano e !
Zarao ihany koa hiombonana
Raha io no manjaka ao an-trano ?
Dia ho sambatra ny ankohonana !

Lavenona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
178 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 28/06/2024 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2392