I DADA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada raha alim-podiana
lavi-dalana ka tena lanaka
Tsy akory iny fanahiniana fa...
mamelona vady aman-janaka!

I Dada matoa mitaraina
tsy nahiny * na haitraitra
fa ny asa mihatra aman'aina
magidy sy tena mafaitra !

Izy tsy manan-tsahala
tokana tsisy mahasolo
Fiharetan'i Dada malala ?
Fitiavany antsika daholo !

I Dada no andry iankinana
miahy ny ankohonany hatrany
Tokantrano no ombam-pilaminana
I Dada no anton'izany !

I Dada tsy dia mitomany
na inona ady sedrainy
ekena fa mafy aoka izany
fa ihafiany ary kosa zakainy !

I Dada ? tena miavaka
Fa rakotra ady ny fiainany
Tsy adino fa entina am-bavaka
Ho lava ny andro iainany !

LAVENONA
14/04/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Ray aman-dreny - Ray - Dada
51 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 08:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141