I DADA (1) (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa no nanan-po hoe...
ho lasa kristiana
ianao ry dada tiako
Mihitsy izay no faniriako
efa hatramin'ny fahazaza

Satria izaho dia sahy nilaza
sy nihevitra taloha hoe...
na hisy nify aza ny akoho
dia tsy hiova mihitsy ianao !

Mahay zavatra Andriamanitra an !
Notakariko ny lanitra (raha takatro)
Fa nataoko ho nifinofy
tsy ho tanteraka mihitsy
izany isika hiara-hivavaka !

Endre..nivaly izany vavaka
taona maro aty aoriana !
Fa ny tena mahavariana ?
dia izato hafanam-pony
toa tsy hiverina intsony
amin-ditrany hatrizay
Hitany hono ny lalan-tsara
ka hizorany amin'izay !

Isaorako Andriamanitra !

LAVENONA
30/12/2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fivavahana
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 08:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152