I DADA SY NENY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy tahaka an'i Dada sy Neny
raha mbola olombelona miaina eto an-tany
satria tsisy fetra ny fitiavana omeny
ary tsy mba mahafoy na mangidy na mamy !

I Dada no andrin'ny fianakaviana
miasa tsy miato na aza efa lanaka
I Neny nisotro ny rano tsy tiana
mantsy harena ny azy ny zanaka

Ireo no nitaiza sy namolavola
Nifofotra mafy sy nikely aina
Miezaka hatrany ary mitady vola
mba hiadanan'ny sombin'ny ainy

I Dada etsy andaniny miasa saina
amin'ny hanin-koanina ka tena trotraka
I Nenyt etsy ankilany tsy mitaraina
na aza tsy misy ny vary harotsaka

fa na i Dada na i Neny...olombelona ihany
Tsy maintsy hody vovoka ihany izy ireny
Ka hajao sy tolory fitiavana hatrany
raha toa mbola velona i Dada sy Neny !

LAVENONA
03/08/2022
--------
Rohy:
62 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 08:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142