IZY IRERY IHANY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY IRERY IHANY

Izy ilay masoandro izay mitondra hafanana
ka miposaka isan'andro
Izy koa no volana mitondra hazavana
rehefa alina ny andro

Izy no hany tokana nanaitra ny fitiavako
tao anaty torimaso
Rehefa misy azy dia...toa mirana ny tavako
na be aza ny ankaso

Izy irery ihany no nambabo izany foko
ka tia tsisy fetra
Mbola izy ihany koa no antony hivetsoko
ny fiainako rehetra

Ka mahatonga ahy...hanoratra sy hikalo
ny vetso anatiko any!
Mantsy tsy ho an'iza ny ahy ny tononkalo fa
ho azy irery ihany !

Ny foko tsy mametraka fotoana na koa daty
fa tia hatramin'ny farany
Tokana ihany ny olotiako mandra-maty
i........ no anarany !

Lavenona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
63 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 29/04/2024 08:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152