KALON'NY MOANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moana aho ka moana
Tsy afaka miteny
Ka ny tononkalo foana no...
Soratana ombieny
Io ny ahy ny feoko
..mba entiko mamboraka
ny sento sy toreoko
amin'ny faingo sy ny tsoraka
Anaty rima miaina
sy......teny feno kanto
Mba satriko antsaina
amin'ny feo milantolanto
kanefa izaho dia moana.....!
Mba tia hidradradradra
Nefa tsy afaka manoatra
mantsy toy ny gadra!
Minia manararaotra
manoratsora-poana
sy manakatra vinany
Dia ny kalon'olo-moana?
Kalo tsisy feo
Kalokalo atao mangina
Nefa ataovy an-tsainareo
Fa mbola ho avy ny fotoana
hifarana hatreo
ny ventsoventsonay

LAVENONA
09/11/22
--------
Rohy:
Sokajy : Kalo - Moana - Tononkalo
34 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 07:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765