MAHAZO SEZA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAZO SEZA

Ny ao ambony dia manana hatrany
fa mahazo raha toa ka midongy
Ny vahoaka etsy andanin'izany
tsy homana raha tsy mitrongy !

Izy ireny tsy mba mitotaly
ny kapoakan'ny vary harotsaka
Fa isika vahoaka mijaly
misarena sy tena efa trotraka

Ny ao ambony? harena no sezany
Toa ho nofy raha ny hahatsapa tena
fa miharihary ny hangezany
Fa voky ny harem-pirenena

Noheverina ho saka, hay kary!
Mpanimba no sady mpisompatra !
Nantenaina hampitsiry ny vary
hay havandra nanimba ny vokatra !

Izay te hitroatra...fefeny
Raha ny fitiavan-tena hainy tsara
Izy ihany no afa-miteny fa...
azy irery Madagasikara !

LAVENONA
--------
Rohy:
62 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 29/04/2024 09:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154