MAHEREZA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHEREZA...!

Ho anao mamaky ny asa soratro io
raha toa mandalo olana amin'izao fotoana izao
Tsy resy izany ianao fa...izao no tadidio hoe...
tsy hamela anao irery ilay Ray ambony ao !

Reny hatrany hatrany ny vavakao mangina
Fantany daholo raha ny fiainanao rehetra
Tsy nahary anao mba hoe hiari-pahoriana
fa kosa manao sedra na koa fizahan-toetra !

Ho anao milofika mandrotsaka tomany
mihandrandra andro mihiratra ka velona taraina
ho anao indrindra indrindra no hanoratako eto androany
Hoe...mahareta kely fa ho avy ny maraina...
ihavian'ny fahazavana...!

LAVENONA
10/01/24
--------
Rohy:
105 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 16/05/2024 06:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073