MITARAINA NY ALA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITARAINA NY ALA

Eny ho aho ry olombelona
Satria tsy afaka miteny
sy tsy afaka hitroatra
na dia efa tafahoatra aza
ny tsindry ataony anay
dia sahinao simbaina ?
Ka nefa ataovy an-tsaina
fa ny hazo manan'aina
ka mety hitaraina !
Fa ianareo no fositra
Mantsy izahay tsy afa-mandositra
ny afo ataonareo
Ehhh...tsy mahaloa-peo
fa mba inona moa ny ala ?

Fa mba nosaininao ?
Izahay no saribao
handrahoanareo sakafo !
Mba fantatrao moa izany ?
Mbola izahay ihany koa
no ataonareo tolàna
sy lakana hiampitana
raha sendra tondra-drano
ary fanaka ao an-trano
handraisanao vahiny
rehefa fety iny !

Raha sanatria ka misy maty
dia izahay no vatapaty
hitoeran'izy ireny !
Ary izao no tadidio
fa izahay no manadio
ny tontolo iainanao
fa dia lazaiko anao !

Eny ho aho ry olombelona !
Raha tsy misy izany orana
dia ny ALA izay nodorana
no nahatonga izany
ka dia tohizo ihany e !

Efa ambivitra ny aiko
ka indro fa dradraiko
ho ren'ireo tsy mahalala
hoe " MBA HAJAO NY ALA "

LAVENONA
02/01/2022
--------
Rohy:
56 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146