NALEVIKO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NALEVIKO

Eto am-pandinihina ireo rakitry ny lasako
tsy maty ato an-tsaina fa mibahana ao am-po
no indro tapakevitra handrindrina ny fasako
dia ...ilay nolazain'i Jean hoe "Fasana faharoa "

Ao no andevenako ireo sento sy ny jaly
niainako fahiny izay narahina tomany
Ao no hotehiriziko ilay isika niara-paly
Tsy fahoriana ihany fa mba nisy koa ny mamy.!

Asiko famantarana amin'ny tanambokovoko
sy amboaram-boninkazo mba ho solom-pahatsiarovako
Ho marika hanambara fa naleviko ato am-poko
ny lasako rehetra izay efa nolalovako...!

LAVENONA
21/08/23
"fasana faharoa" : Jean Joseph Rabearivelo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
194 1
Mpakafy: LEVASOKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 16/05/2024 06:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715