NY FINOANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny finoana tsy azo ariana
fa fitaovam-piadiana
ho an'ny zanak'Andriamanitra!
Aza adino fa io no kiady
sy apinga enti-miady !

Na kely toy ny voatsinampy
dia azo inoana fa efa ampy
hahafindra tendrombohitra
Sady entina manohitra
ny tsipikan'ilay ratsy !

Ary ny asam-panompoana
raha tsy arahina finoana
dia zary toy ny voninkazo
izay milofika malazo
rehefa tsy tondrahana iny !

Ny devoly anie ka kinga e !
Vao tsy anananao ny ampinga
dia efa ianao aloha no hazany
sy hanetsehany ny vazany
ho sakafony sy rembiny !

Koa tano hatrany ny finoana
mba tsy zary zava-poana
ny niharetana hatrizay
raha toa ka andro iray
no mety hahafefika anao !

LAVENONA
15/01/2022
--------
Rohy:
Sokajy : FIVAVAHANA
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 09:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145