NY TENA TIA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENA TIA

Ny lehilahy rehefa tia
dia ianao foana no ao an-tsainy
ka manembona hatrany
ary mahafoy ny ainy
raha toa ilaina izany

Ary tsy mikely soroka
mandroso teny mamy
miampy toky sy ny oroka
ho anao hatrany hatrany

Ny lehilahy rehefa tia ?
Iniany hitiavina ny mombanao rehetra
satria jambanao ny fony
ka ny ainy no hany fetra
fa tsy handao anao intsony

Mantsy ny antony dia izao...
Tokana ihany no tena faniriany
dia ny hahasambatra anao
satria ianao no tiany !

Lavenona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
98 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 29/04/2024 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158