NY TIA SY NY TIANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TIA SY NY TIANA

Raha ny tia sy ny tiana no hoe tafatambatra
ka mifanaiky fa hiombo-pitia
dia izany no tretrika sy tena sambatra
satria dia fitiavana tena ho doria !

Ka tsy mba lefin'ny taona sy volana
Tsy miofo am-pitoerana fa mihavao
Resim-pitiavana ny ady sy olana dia...
toy izany ry tiako ny fitiavako anao a !

Ny foko dia tokana toy ny an'ny siny
ka tsy mba mahafantatra hafa-tsy rano
Ianao ny ahy no tiako ka aoka tsy ho tsiny
Fa ny ahy ny fitia tsy harira sy angano !

Raha ny tia sy ny tiana no hoe tafahaona
Dia angamba ho feno tokoa ny hafaliana
Fa miandry aloha isika na dia tsindrin-daona fa...
izay maharitra ihany no vadin'andriana !

Ny tia sy ny tiana ? Tsy mifankafoy
Na aza hoe misy ny elanelan-tany
Rehefa mahatsiaro dia ity no vetsoy
fa io mba solon'ny oroka mamy !

Lavenona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/06/2024 18:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.03