RAHA HO AVY IZANY FARANY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy izany farany
dia samy hahazo ny anjarany
sy ny valin-kasasarany
ny olombelona rehetra
Ka miankina amin'ny toetra
izay nafafy teto an-tany
no hojinjaina ami'izany !

Raha ho avy izany farany dia...
ho ho antsoina amin'ny anarany avy
ny isam-batan'olona
Ka hifarana ny tolona
sy fahoriana izay niainana
fa hiova ny fiainana
Ho lavi-pijaliana
sady feno fifaliana
ny an'ny vady ampakarina
Dia ireo izay olo-marina
niady ny ady tsara
fony mbola fahavelony
Eny hisinda ny alahelony
hiova ho fahasambarana
tsy manam-pitsaharana
amin'izay fotoana izay !

Fa mifanohitra amin'izay
ny miandry ny mpanota
Dia ireo nilalao ota
fony mbola teto an-tany
Ho sakaizan'ny tomany
sy toloko tsy hay faranana
Tsy misy azo hitarainana fa...
hirifirim-panaintainana
no manala ny fahanginany
Solifara no hofihinany
Dia hidradradradra tsisy farany !

Ny entiko hamaranana azy dia...
hoy aho hoe tsy vazzivazy
na koa fandaniam-potoana
no anoratako etoana
ity tononkalo ity fa...
nanoratra aho satria...
EFA AKAIKY NY FOTOANA !

05/01/2022
LAVENONA
ny an'ny vady
--------
Rohy:
Sokajy : FIVAVAHANA
57 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 09:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015