TIA ANAO NY FOKO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!

Tiako raha raiketinao
mba tsy ho verivery foana
ity tononkalo ity !
Eny ataovy ao am-ponao
ka na ho volana na taona
dia tsy voafafa sanatria !

Ka izao ry tiako a !
Raha mbola misy hatrany
fo mitempo anatiko ao
dia hitia anao rahavako
Ary mbola averiko ihany
mba ho re sy tsapanao
fa tsy miova ny fitiavako
na inona hidona na inona hiatra
mantsy noho fatran'ny
fitiavako anao
no antony hiventsoko
izao tononkalo izao !

Na tsiky na tomany
no holalovantsika
dia ataoko fa tsy izany
no ndeha hampangatsika
ny afon'ny fitia izay narehitra hatrizay

Na manjombona na manga
ny androntsika ho avy
hafa tsy hoe angamba...
misaraka ny aina ?
Nefa izay tsy atao an-tsaina
fa isaorana ny Avo
rehefa mbola velon'aina !

LAVENONA
20/07/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 10:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143