TIAKO IANAREO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAREO

Ilay anarana hoe " Dada " ?
Teny iray fanonoko fony aho nibadabada
Tsy adino koa ny "Neny " fa...
Naveriko matetika vao nianatra niteny

I zoky ilay nibaby
ary koa ny ambina ahy , fony aho nianatra nandady
Ny tena marina aza...
ireo no nifandrimbona nanasa lamban-jaza !

Ireo zandry notrotroiko
Avahako amin'ny maro ireo satria tsy ananam-piry
Mihitsy tsy mba foiko
Ka satriko ny fiainany ho lavitra hirifiry !

Ireo no fahasambarako
Fa ra iraisana amiko ka aina no atao fetra
Eny ,mbola ambarako
fa tiako tena tiako ianareo rehetra !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : ANKOHONANA - Fitiavana
68 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 29/04/2024 09:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1689