VOLANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLANA

Ravolana iny rankizy ?
Dradrain'ny lehilahy ankehitriny
Ambarany mantsy fa izy...
no hanolotra an'io amin'ny tiany !

Olona efa an-tapitrisa
no efa nilaza an'izany an !
hanakatra an'io sy ny sisa
fa io izy mbola eo ihany !

Ataoko fa tsara kokoa
ny mionona amin'ny ananana
Fa ny tonga teny aza moa
mbola azo isaina amin'ny tanana !

Ny toky tsy natao ho nofisina
porofoina ary koa tanterahina
Fa ny zavatra tiako hamafisina...
Ny vehivavy aza fitapitahina !

LAVENONA
20/09/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
147 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 29/04/2024 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139