EMBONA - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
O! ry vorona mandalo ,miserana eny ambony eny
Azafady indrindra ho’aho hampitondraiko taratasy
Ho an’ilay malalako any, fa mangina singan-drery;
Aty an-tanin’olon-kafa,onena sy mangasiasy
o! ry volana eny ambony ,mpanazava irony alina,
Ianao no antenaiko, hanembonako ilay tiana;
Izy koa angamba izay,mahita anao dia mba manina;
Koa omeo ny taratrao,mba samy hahazo fifaliana
Ô! Ry kintana mirenty,izay mpandravaka ny lanitra;
Aiza ho aiza aminareo,ny solon-tenan’ilay tiako?
Misehoa amiko eto,fa ho foana tsy haharitra ;
Ny alaheloko rehetra, ny ranomasom-pahoriako
Ô! Ry rano mikoriana, misosa dia misosa hatrany
raha sendra mba mandalo,’lay tanàny any ianao
dia ambarao azy tsara fa na tsiky na tomany
ny fitiavany hono hoe, tsy mety miova hatramin’izao
Vola
Mombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 1672
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY
MBOLA HISY VE ?