RAISO TOMPO O ! ('Lay fo hafa kely)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa na dia hoe, efa noloarako aza, izay mba varin’ampangoko
tsy navelanao aho handeha, fa notoloranao ny sahaza ny isan’androko,
Ry Tompo be fitia, mahalala ny miafina, anatin’ny vilaniko
ka narovanao tsy hania na koa ho valalanina amin’ireto vinaniko.

Tsy miafina aminao, ireo mba nahandroko na sarona takotra
na tsy lazaiko anao, na hoe ho atondroko, dia tena ady sarotra
ny hameno izato rano, mba hisy ventiny ho ody ambavafo
fa maso manganohano sy sento no mba nentiny... nangotraka tokoa.

Fa na matsaboka aza, na matsatso hoy ny teny, ny tsiro tato am-bava
izaho tsy maintsy hilaza, raha mbola afaka hiteny, ireo soa lalandava
nomenao ho ahy na tsy nangatahiko akory, tsy takatry ny saiko
fa nampifaly ny fanahy, nampatanjaka raha ory fa mamy sy lalaiko.

Ny hasoavanao, nitobaka tsy niato, teo amin’ny fiainako
noraisiko tsotr’izao, na tsy novidiako lafo, fa efa sitrakao.

Ka mbola apetrako aminao, ny ampitsoko tsy hay, tononon’ito vavako
ka aoka Ianao tsy handao, Ry Tompoko sy Ray, raiso ny FIAINAKO.
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/lay-fo-hafa-kely/raiso-tompo-o-
Sokajy : Vavaka
906 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely
Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013 15:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2838