RAHA AZOKO NATAO... - TIANA
Azo vakiana?
RAHA AZOKO NATAO...
Raha azoko natao
ny nampionona ny saiko
nampandry ny eritreritro
sy nampitony koa ny foko
tamin'javatra tsy haiko
mpampitombo ny ahiahiko
dia efa ela aho no sambatra
Efa ela aho no niadana
Saingy indrisy tsy mba haiko
Raha azoko natao
ny nisolo tena anao
tao anatin'ny lahasa
izay tokony ho voarindra
Anatin'ny fotoana fohy
sy ny fitsinjarà n'ny taona
Nefa nolalaovinao
Nisangianao mandavataona
Efa ela izao no foana
izao gaboraraka eto izao
Saingy indrisy tsy ho arako
Raha azoko natao
ny nangina tsotr'izao
tamin'ny zavatra tsy rariny
nefa nazahoan'ny sasany
Harena sarintsariny
Nefa na izany maminy
Dia novonoiko ny eritreritro
Novaiko koa ny rariny
Saingy...
indrisy...
anefa...
na azoko natao aza
ireo rehetra ireo
Ny marina tsy maty
Fa mikikiky foana anaty
TIANA
Mombamomba
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilalaDaty : 18/07/2014
Mpamangy : 1038
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FITIA MANALASALAVAZO MANDRAKIZAY
TSY VITAKO NY HANORATRA
TETI-DRATSY
DIAVOLANA
HOLOKOIKO IHANY...
NGAH?!
ZAKAIKO MORA FOANA
MALALATIANA
ANY