MALALATIANA (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALATIANA

Tiana ve tsy ho tiana
Fa ny aminy rehetra
Ny tontolo sy ny mombany
Moa azoko ivalamparana?
Moa azoko iriana
Ka hanaovako amboletra
na tsy toy ny fombafombany
'lay ataoko ho hasambarana?

Malala ve tsy ho tiana?
Tiana ve tsy iriana?
Iriana ve ho ariana?
Ho ariana ve ny tiana?

TIANA
--------
Rohy:
1103 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 15/07/2014 09:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011