TETI-DRATSY (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TETI-DRATSY

Io fa mody mavo
Ilay nantsoin-tsy avy
Rehefa injay fa lasa
An-tanan'olon-kafa
Ny fiainanao rehetra
Tiany ianao hitoetra
Nefa ataovy fantany
Ho ren'ny rantsam-batany
Fa ny antso tsy valiana
Dia mety mbola hangina
Tsy hanaovana amboletra
Satria koa manam-petra
Dia ny lalanao no hizory
K'aza atao manorisory
Ny antsony matetika
F'izany no efa tetika
Nampiesonany anao
Hatrizay ka hatrizao
Mivonona dieny izao!

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
892 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 24/07/2014 06:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098