Kisendrasendra ve? (Lova Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Harivariva tamin'izay,
Nahitako tovovavy iray
Zay nambabo zany foko
Ka lasa mamiko tsy foiko.
Tamin'io dia andro fety,
Ka marobe reo metimety
Saingy tsy nahoako ireny
Na niserana ahy ombieny.

Fa izy irery kosa ihany
No naha-te mba hanontany
Raha afaka ny hiara-dia
Ho olon-droa mifankatia.

Dia noraisiny ny tanako
Ka noekeny ny fitiavako
Toa ampoky ny fahasambarana
Izahay roa tafara-dalana.

Lay nanorohany ahy voalohany
Nananan-toky f'hisy tohiny
Ka ho mamy foana hatrany
No irahana eto an-tany.

Dia nalaina ny hifandao
Tsy te ho irery izaho sy ianao
Ka satry mbola hifamihina
Fa io lay andro homarihina.

Kisendrasendra ihany ve?
Sa voalahatr'i Iaveh
No nampiray ny lalanay
Ka nampitambatra ho iray?

18 Aprily 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7
Daty : 17/05/2017 09:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142