"NOFY" (Lova Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana ange no niova ho fankahalana,
Ilay fitiavana nafana mbola nisy teo aloha?
Saingy indrisy fa dia foana,ka tsy ho hita intsony,
F'efa lasa nofy hono,ka nijanona ho nofy,
Nofy mandra-maty tsy mba hanam-pitsaharana,
Tsy mety mba hifarana,mitohy tsy misy fetra.

Nofim-pijaliana,nofim-pahoriana,nofin'alahelo,
Toa nampamelovelo fa nofy nampangoraka nandrotika ny fo,
Naratra ilay fitiavana ka namela holatra ngeza mankadiry,
Zay nampamirifiry ny vatana marefo efa mila hitolefika,
Moa ve mba mety hoadinony lay nofiny any izay,
Ka hivadika ho tsiahy mba ahatsirovany ny lasany?

Moa ve izy hanadino izany ka tsy hotsaroany intsony
Ilay aretim-pony vokatr'ilay nofy tamin'alina mangina?
Satria dia ranomaso no namonto ny mosoarany fa kotsa nosasan'ny
Ranomason'ny fitiavany ka tsy ho maina intsony.
Ka amin'izay rehetra alehany dia handindona azy hatrany
Lay nofiny tomany fa nilaozan'olon-tiana ka lasa manirery.

20 Marsa 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1634 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7
Daty : 11/06/2017 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143