Neny tiako - Lova Ny Aina
Azo vakiana?
Ianao ry Neny tiako
No lay antom-pifaliako;
Reny tokana sy mamiko;
Ka hajaiko sy andrianiko.
Neny tiako indrindra hatrany;
Fa nampangina ireo tomany
Namafa irony ranomasoko
Sy nisakana ny ankasoko.
Taminao ry Neny tiako
No niantefan'ny famaliako
Niaretanao anefa ireny
Na dia niverina ombieny.
Neny tiako tsy atakaloko
Satria anton'ito kaloko
Fitosiako sy fiondanako,
Tolorako ny soran-tanako.
30/04/17
Sokajy :
Reny
Mombamomba
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7Daty : 10/05/2017
Mpamangy : 1651
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
"NOFY""POEZIA"
"Ny fiteniko"
"Tena namana"
Kisendrasendra ve?
Raha embona
Tsy hitako eto intsony