"Ny fiteniko" (Lova Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny tononkalo maro norangotin'ito peniko,
Ny teny Malagasy hatrany no hany tokana fiteniko.
Nasongadiko ao mihitsy fa tsy mpindrana aho fa tompony,
Fa na ny foko na ny saiko,Malagasy hatramin'ny fotony.

Io fiteniko io anie ka nolovaiko tamin'ny razako,
Efa nampianarina ahy hatramin'ny fony fahazazako,
Zay mbola alaliniko eto izao hatrany hatrany,
Ka handaniako ny androm-piainako rehetra eto an-tany.

Io fiteniko io no antom-pitolomana fahiny,
Fony isika nofehezim-pahefan'ireo vahiny.
Ka tsy afaka nanohitra,nanaraka azy an-jambany,
Nampiasa ny fiteniny,nitafy itony lambany.

Ka zovy ianao ry Malagasy no tsy hanaja izay anao,
Sanatria hitsipa-doha na ko hanao ny tsy fanao,
Hanary izato teninao f'andeha hifehy ny an'ny hafa,
Anao izany fa fiteniko io tsy avelako ho voafafa.

29 may 2017
--------
Rohy:
1188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7
Daty : 30/05/2017 12:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142