You are here: home > Vetso

"Tena namana" - Lova Ny Aina

Azo vakiana?

Anisan'ireo namana tsy foiko raha ianao,
Sakaiza fizarako ny rehetra izay natao,
Nanolo-kevi-dalina mba amahana ny olako,
Nefa tsy nanamby na nangataka ny volako.

Fifanampiana hatrany no niarahantsika teny,
Eny fa na nisy ny adiady kely ombieny,
Zay vao maika nanamafy indray ny finamanantsika,
Ka zary lasa tsy heno ny hirifiry sy ny hatsiaka.

Raha sendra nisy vesatra nitondra fahoriana,
Dia niarahana nizaka ka nisolo fifaliana,
Tamin'ny fiainako rehetra izay nilaiko tolo-tanana,
Tsy nitsahatra nanampy ahy lay tsy foiko tena namana.

"18 Mai 2017"

Sokajy : Namana

Mombamomba

Mpanoratra : Lova Ny Aina

Nampiditra : LNA7
Daty : 27/05/2017
Mpamangy : 2603
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

"NOFY"
"POEZIA"
"Ny fiteniko"
Kisendrasendra ve?
Raha embona
Tsy hitako eto intsony
Neny tiako