iza no hitarainana ? (Mahay)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no hitarainana
Amin'ny fahasarota -piainana
ny mpitondra fanjakana
toa samy mihanaha

vahaola iray "mitsitsia, mitsitsia"
tsy fantany angaha fa efa ela ity
ny paosy tsy misy afa - tsy fitsitsiana
tsy misy izay fotoana hoe mba niala liana

ny malagasy iray vao teraka d'izao
fitsitsiana ihany no aoka mba atao
izao indray ny jiro sy ny rano ampiasaina
tsitsio fa lafo sy sarotra ny miaina

ka iza no hitarainana
amin'ny hasarotry ny fiainana
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1317 1
Mpakafy: Lepetitbeau
Hevitra mandeha
Lepetitbeau ( 23/05/2006 12:11)
Tena tsy misy ny hitarainana
Fa za eto hanala fanaintainana
Anao izay ho afako e!
Hamalifaly ny malalako
soakely ( 23/05/2006 12:24)
ka aiza no misy anao
ho tadiaviko zao de zao
ianao izany mba mety handray
ny mety fitarainanay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahay
Nampiditra : soakely
Daty : 11/05/2006 04:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139