ny tia (Mahay)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha tia dia aza manahy fa tiava fotsiny amin'izaoaza be fanontaniana "inona no antony - taiza indray ianao "
ny tia dia mahatoky fa tsy vitan'ilay tiana
ny hamitaka ny tena na hampitondra fahoriana
ny tia dia mino foana na haingana na ela : ho avy ilay tiana
rehefa tonga izy dia mitsikitsiky hatrany fa feno hafaliana
tsy manahy hoe taiza indray izao no nandaniany ny androny 'zay ela be izay
fa manoroka azy kosa ho fiarahabana azy fa tonga eto indray
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana