NENY (Mahay)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny ô fetinao indray anio
ka tsaraoanay tokoa ianao
averinay eto tadidio
izao voadinay izao :
tinay ianao ry neny
ka hajainay raha miteny
ho henoinay lalandava
ka ny andronao ho lava

neny ô asa raha mba fantatrao
fa ireny ditra nampahory anao ireny
tsy ninianay natao
fa tsy fidiny ry neny
vokatry ny hatanorana tsy voafehy
nefa averinay eto indray ny hoe
tinay ianao ry neny
ka hajainay raha miteny

neny ô ny lasa nampalahelo anao
hifonanay tokoa tsy averina tsy atao
amin'izao fetinao izao ry neny tena tia
dia hiova izahay ka hanavao ny dia
ny vola dia tsy misy satria fantatrao
fa mbola zaza loatra sady tsy miasa aho
fa ny foko sy fitiavako no azoko atolotra
de tsy hadiditra intsony aho, hoy ny foko fa tsy molotra

neny ô dia hilazako koa ny dada rehetra eran-tany
mba tsy hampijaly reny na hamela azy hitomany
fa raha tsy misy nareo reny zava -poana ny tontolo
toy ny saosy tsisy hanitra refa tsisy ny tongolo
--------
Rohy:
1907 0
Hevitra mandeha
mika06 ( 09/09/2006 13:14)
zany ka lafatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahay
Nampiditra : soakely
Daty : 26/05/2006 13:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136