ho an'i dada (Mahay)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada ô ! na de heverin'olona ho adino ianao matetika
de laviko ankitsirano ity hevitra sy fihetsika
fa vao mianatra miteny eny mandrakizay doria
de tsaroana ianao ry dada ; tsy hadino sanatria

Manak'ambo ery ny zaza raha miresaka amin'ny namana
mitantara an'i dada ; mangasihasy ny tsy manana
"dadanay an ! ra miteny, avo feo, mitrerotrerona
fa refa manambitamby ! maharenoka am-pitoerana"

na de tsy voatonina isanandro aza ny anaranao ry dada
de voasoratra ao am-po, ka tsaroana lalandava
dada ô ! aza manahy fa tena tinay tokoa ianao
tsy voasolo n'iza n'iza ny anjara toeranao

dada ô! dada tia sady tiana ! aza manana ahiahy
fa ho tsaroanay an-tsaina ; ao am-po sy am-panahy
ka izao fetin'ny ray izao tsy adino velively
fa mahazo fanomezana ary etsy ataonay mamikely
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
8160 1
Hevitra mandeha
nyrsi ( 16/06/2006 16:01)
Tsara ary tena mampahery an'ireo Dada
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahay
Nampiditra : soakely
Daty : 15/06/2006 04:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094