raha tia ahy ianao (Mahay)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha tia ahy ianao dia mahay mamela heloky ny lasako rehetra
zava - nisy ireny tsy azo hodiantsy hita fa tantara mitoetra
fantatrao aho izao, fa tsy tia olona afa -tsy ianao irery
ka raha tia ahy ianao dia andeha isika roa hampitovy fomba fijery

raha tia ahy ianao de afa -manome amin'ny fo madio
fa tsy takianao amiko izay ho sandany na izay hasetriko io
fantatrao aho fa trotraky ny lasako jenjin'ny fahadalana
ka raha tia ahy ianao dia tsy manararaotra fa manoro zay hombana

raha tia ahy ianao dia tsy averimberinao ho reko intsony akory
ireo latsalatsa sy ireo fandrahonana toa zary mampahory
fantatrao aho fa mitady tanana hitantana ny tanako
ka raha tia ahy ianao dia manampy ahy manoro koa zay lalako

raha tia ahy ianao dia tsy manenjika ahy noho ireo tantarako
fa laninao saina aho laninao fanahy ekenao ny ho anjarako
fantatrao aho fa vonona tanteraka hanarina ny vitako tsy nety taloha
ka raha tia ahy ianao dia manaiky ahy fa tsy hanao an-dolom-po

fa raha tia ahy ianao kanefa hitaky amiko ny solon'ireo lasako
dia aoka ho faranana eto ny antsika fa tsy zakako
fantatrao angamba izao fa tsy fitserana no ilaiko fa fitiavana
ka raha tsy ao aminao izany aleo hizara roa ny lalana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1909 3
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 20/05/2006 21:16)
tena mahay mihitsy enao an!!
marina tokoa zany rehetra izany
Lepetitbeau ( 23/05/2006 12:07)
Tsara akia ry soakely fa tohizo an!
Domoinalove ( 23/11/2008 15:39)
Zan no midik fa ilaina toko ny famelan-keloka eo amin'ny mpifankatia e!Merci amin'ny mpamorona fa tsara le iz e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahay
Nampiditra : soakely
Daty : 19/05/2006 07:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097