Didy faha-11 : aza miveraka - Mandefitra
Azo vakiana?
Didy faha-11 : aza miveraka
endrey!
satriko laingosana izato voninkazo
raozy vao mivelatra...toa ho ela vao halazo
vorona hary elatra, misioka ambony hazo
kanefa...
raha saraka amantaho ndrao ho mora maina
raha sinambotro sahady mety hiferin'aina
avela ngamba aloha hitombotombo saina
anjely!
ilay molotra manify, ny endrika marirana
ny volo bango tokana, famindra tsy sahirana
fiteny miangola...tsy matotra fa mirana
indrisy...
ny hafa no nioty, f'izaho indray no reraka
zary toa kamboty, niseho nahay nipetraka
kay moa zao no didy : aza miveraka!
Mombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : MandefitraDaty : 22/04/2005
Mpamangy : 989
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Zandry a!Vavaky ny Malagasy
Soron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Eny andalana
Tsy hiady
Nofo iray