Mbola hiverina - Mandefitra
Azo vakiana?
Mbola hiverina
Mitraka!fa ny anio tsy mba ampitso
ny patrapatraky ny orana mandrovitra fanitso,
mbola hody andro tony, taratr'andro vao maraina
Zato ranomaso havozona fa sinarak'olontiana
ny sentonao mamantonalina mandry irery eo ampandriana
Mbola hivaly tsikitsiky, fitiavana no hiraina
Fa ilay tiana lasan-davitra tsy taka-maso fa ao ampo
Mbola hiverina izy mantsy, ho eo anilanao tokoa
Dia ho lanitra ny tany, hahafinaritra ny miaina!
Hevitra mandeha
pissoa (19/10/2005 11:29:10)
tsara an - fa saingy izao aho izao malahaleo indray !!!
Mandefitra (19/10/2005 13:38:12)
zoky (19/10/2005 13:57:10)
Tena tsara e!tohizo hatrany ny fanoratana
Mandefitra (19/10/2005 14:02:19)
Misaotra an i Zoky, hanoratra foana rehefa tonga ny haingam-panahy
fiaritiana (20/10/2005 08:57:13)
tsara be ny tononkalonao fa mampahery sy manome fanantenana
misaotra e
Mariano (21/10/2005 19:48:06)
Ho anay aty a-tany lavitra aty di amanome hery tokoa ny toy itony, fa dia mankahery e, mandefitra hatrany
Mandefitra (08/11/2005 13:03:23)
Misaotra e, za ko mba irery aty.
ayle (29/10/2007 17:57:52)
Misaotra ;zaho koa tena manrery;toizo fa tsara
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : MandefitraDaty : 19/10/2005
Mpamangy : 1473
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Zandry a!Vavaky ny Malagasy
Soron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Eny andalana
Tsy hiady
Nofo iray