Tsy ampy azy - Mandefitra
Azo vakiana?
Tsy ampy azy
Ny vetsovetso nosoratako,
nilazako ny ato ampoko
hampahery ny olontiako,
novaliany ranomaso,
sentosento sy toloko:
tsy handriny hono zay hodiako!
Ny antsoantso an-tariby
toky sy fampanantenana,
tonombavako ho azy ihany...
Ny azy hono ny fitia
eo anilany mazàna
tsy ampy azy raha izany
Zaho ity antanin'olona,
miasa mafy sy mitolona...
tsy hafa fa ho azy ihany.
O ry lanitra ao ambony,
ampionony aloha ny fony
mandram-pahatongako any
Hevitra mandeha
zoky (13/10/2005 08:56:06)
marina zany fa azailaozana matetika ihany izy aloha
zoky (13/10/2005 08:56:25)
marina zany fa azailaozana matetika ihany izy aloha
Mandefitra (13/10/2005 10:41:43)
fiaritiana (14/10/2005 23:32:15)
tsara be ny tononkalonao fa tohizo, isa5
vetsoko (17/10/2005 15:03:29)
ilazao za rehefa ho any se,ary aza dia ela loatra satria ilaina ny litady ny mahasoa fa...tokana ny mahasambatra
...tsoa
Mandefitra (18/10/2005 05:22:41)
Misaotra an i Fiaritiana sy vetsoko, na za aza tsy de handeha fa "ny fitadiavana mahazaka maniraka..."
mariarakotomanga (19/04/2008 11:36:03)
Mombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : MandefitraDaty : 13/10/2005
Mpamangy : 1179
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Zandry a!Vavaky ny Malagasy
Soron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Eny andalana
Tsy hiady
Nofo iray