Trano rava 2.0 (MAZ RAMANA)

Nantsain'i MAZ RAMANA
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saika hataoko fanahy iniana tsy ho tadidiana intsony,
Mba tsy hiparitahan'ny fofom-bobongolo,
Fa nandà ny fahatsiarovana!
Laingako amin'ny tenako, fa mbola ireo akory
Manetroka, manaloka ny saiko manontolo
Ireo sisambain'afo,
Tao am-patana nilaozana!

Saika tsy hihira fitiavana intsony aho,
Handevina ny foko ho lasa fasana, kanefa...
Mijaly ny eritreritro!
Tsy izaho kay no mandrodana ny fotony, rehefa...
...manintsana daholo ny ravina malazo,
...amin'ny rantsandrantsan-kazo!
Tsy ampy kay ny fara-heriko!

Saika tsy hanaiky ny fisian'ny tonga lafatra aho,
Ka tsy nahatsapa hoe tsy ilay fitiavana no very!
Raha tsy nifampitsara!
Ny nivarilavo aza, nifampitarihina, niarahana natao,
Satria honjohonjon-tsika roa samirery,
Mbola tsy afa-bela ihany, fa dia izao rava izao,
Vita teo ilay tantara!

Ny fahadisoanao sy ny ahy, tsy ho ary voatanisa,
F'efa tsapako ankehitriny hoe tsy ianao no fahavaloko...
Ny tontolo no efa ratsy!
Ny ratsy nifanaovana, sy ratra efa navaloko,
dia ampy haningorako ny fankahalako anao,
Ny anao aloha tsy fantatro,
Fa ny afoko efa maty!

Tsy natao ho iray isika, na samy niezaka aza
Nangeroka, fa mamy ny mamerina ombieny :
Mitso-drano anao ny tenako.
Na tsy nifanendrika aza, tsy ho menatra aho hilaza,
Ho tiako foana ireny hira fihainontsika ireny!
Tsy hanaratsy anao intsony aho,
Ary tsisy nanenenako!

Ity andininteny ity, na dia saika tsy ho zaraiko,
Saika tsy ho eken'ny saina, fa hataoko fahatsiarovana,
...ny fiainan-tokatranoko!
Handravonako ny faran'ilay hira ato antsaiko!
Mamela anao tanteraka aho, ny tany fandalovana!
Ka..."Ny voady izay nataoko taminao ry Andriamanitro,
...tsy maintsy hefaiko."



Anjaramalala RAMANAMANJATO
10/06/2022 à 19h30
--------
Rohy:
668 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 13/06/2022 06:56
Antsantononkalo
Nantsain'i MAZ RAMANA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152