You are here: home > Vetso

AOKA - Miangaly Teny

Azo vakiana?


Aoka ianao hitoetra
Fa nafoiko ny rehetra
Noho ianao rahavako

Dia aoka ianao hanolotra
Fitia tsy an-tendromolotra
Tsy hahafoana ny fitiavako

Dia aoka ianao hanaja
Ireo voalazain'ity vava
Dia hitoetra aho tsy handao
Ary tena hivonona ho anao

Fa raha mety ianao...

Dia aoka ianao ry foko
Hanomana fonenana
Hitoeran'ilay tiako

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Miangaly Teny


Nampiditra : 0109
Daty : 27/04/2022
Mpamangy : 128
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

SARISARY NOFY
EFA TARA LOATRA
RAHA...
KAMARA
Iny tsikiny iny
Vehivavy
Io raozy io