You are here: home > Vetso

SARISARY NOFY - Miangaly Teny

Jereko ilay lanitra mirava-bolamena
Volafotsy, vato soa, harena sesehena
Tazaniko ny vohitra mihaingo  safira
Sy mikalo ho an’ny tany karazan-kira

Dia ilay nofy tato an-tsaiko, tonga sarisary
Sarisary misy tsiro, mamy noho ny fary
Ny nofo sy ny tena indro indray nitsonika
Nanaraka ny ony : tsy sanatria hoe rotika

Nofy sarisary tonga sarisary nofy
Loko voambavoamba aza re niofo
Mba ho kanto noho ny meva

Ilay hazavana maizina indro fa nazava
Ny rafitra napetraka ireny indray fa rava
Nanototra tsy hita ilay nekena ho faneva

Miangaly Teny


Sokajy : tsara

Mombamomba

Mpanoratra : Miangaly Teny


Nampiditra : 0109
Daty : 02/06/2022
Mpamangy : 96
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

EFA TARA LOATRA
RAHA...
KAMARA
AOKA
Iny tsikiny iny
Vehivavy
Io raozy io